Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Afrique Australe U14 – U16»: safidisoa irery no tafakatra amin’ny manasa-dalana

Tenisy – «Afrique Australe U14 – U16»: safidisoa irery no tafakatra amin’ny manasa-dalana

Mpilalao iray ihany, tamin’ireo valo niatrika ny ampahefa-dalana, ny hany mbola manohy ny lalany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo, taranja tenisy ho an’ny sokajy zandriny.

Safidisoa Nomenjanahary irery no  tafita amin’ny manasa-dalana, ho an’ny lalaon’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo na ny «Afrique Australe», taranja tenisy, sokajy zandriny. Fifaninanana tanterahina any Windhoek, Namibia.

Omaly, resiny teo amin’ny ampahefa-dalana, ho an’ny U16 vehivavy, ilay Zimbaboeanina, Tadisa Chamisa. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (7/5 ; 6/0) io mpifanandrina taminy io. Niady ny lalaon’izy mirahavavy, teo amin’ny seta voalohany, saingy nataon’i Safidisoa tsy nisotro rano i Chamisa, teo amin’ny seta faharoa. Tsy nahazo na “jeu” iray aza. Hifandona amin’ilay Afrikanina tatsimo, Suzannie Pretorius, i Safidisoa, anio eo amin’ny manasa-dalana.

Ankoatra izay, nihintsana avokoa ireo mpilalao U14 vehivavy. Anisan’izany Rasendra Miotisoa sy Ramanantoanina Ravaka ary Voaviandraina Harena.

Resy daholo ihany koa ny  teo amin’ny U14 lehilahy, dia i Mahefa sy i Tody Avo. Niondrika teo anatrehan’i Devin Badenhorst i Sampras, teo amin’ny U16 lehilahy ary i Randy, resin’i Naledi Manyube.

Tafita ny olon-droa

Hiatrika ny manasa-dalana, anio, ny olon-droa vehivavy U14, dia i Miotisoa sy i Harena, nandresy an’i Terblanche sy Kidd, avy atsy Namibia, tamin’ny seta 2 (6/0 ; 6/0). Toy izany koa i Ravaka sy ilay Zimbaboeanina, Chelsea Chakanyuka, rehefa nanilika ireo Afrikanina tatsimo, Marie Louise Van Zyl sy Kaithlyn Ramduth, tamin’ny seta, 2 no ho 1 (6/3 ; 4/6 ; 13/11).

Manohy ny lalany ihany ny U14 lehilahy, amin’ny alalan’i Tefy Ranja  sy i Mahefa, taorian’ny nandreseny ireo Botsoaney, i Molefe sy i Tommy ary i Tody Avo sy ilay Zimbaboeanina, Marko Milosovlevic. Izy mirahalahy izay nanilika ireo Mozambikanina,  i Mark Nawa  sy Rosa Edilson.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique