Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seces Antananarivo: miandry ny filoham-pirenena

Seces Antananarivo: miandry ny filoham-pirenena

Mifarana rahampitso 15 janoary izao ny fe-potoana nomen’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo (Seces Tana) ny fitondram-panjakana mba hamahana ny olan’izy ireo.

Nanao fivoriambe izy ireo namaritra ny tohin’ny hetsika. Miandry fatratra ny fihaonana amin’ny filoham-pirenena izy ireo izay heveriny fa mahatapaka ahitra sy afaka mamaha haingana ny olana.

Efa nandeha hatrany ny fihaonana tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony, saingy tsy nahitana mangirana ary mbola mihenjan-droa ny tady. Efa nandeha ny fihaonana tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, saingy toa very an-javony izany hatreto fa tsy mbola nisy vokany. Heverina fa ny filoham-pirenena mihitsy no handray an-tanana ny famahana olana vao hivaha izany.

Mitohy tsy mampianatra, araka izany, ny mpampianatra amin’ny oniversiten’Antananarivo. Efa hananika ny roa volana izao no nampitsahatra ny fampianarana izy ireo. Manakatona ny vavahady eny Ankatso mihitsy izy ireo tsy hahafahan’ny mpianatra mankeny.

Tsy ny eto Antananarivo ihany fa hatramin’ny any amin’ny faritra, mikatso ny fampianarana.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique