Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano: miofana any Thailande i Michael

Ho fanomanana ny lalao olympika any Tokyo sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Abu Dhabi, miatrika fiofanana iray taona any Thailande, Rasolonjatovo Heriniavo Michael. Izy no voasafidin’ny avy eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena sy voatsonga tamin’ny alalan’ny “test de classement” natao tetsy Ampefiloha, ny volana desambra lasa teo. Hiantoka manontolo ny hoenti-manana amin’ity fiofanana ity ny eo anivon’ny Fina, ary efa misy fandaharam-potoana arahin’i Michael amin’ny fanazaran-tena, izay efa nanomboka ny alahady 12 janoary lasa teo, raha ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Efa fanaon’ny Fina isan-taona ny manome fiofananana malagasy, ka i Murielle no nisitraka izany tamin’ny taon-dasa. Ao amin’ny toerana fanaovana fanazaran-tena ao Phuket Thailande moa no miofana ity atleta malagasy ity ary tena efa manomanan-tena fatratra hanome vokatra tsara, aorian’ny fiatrehana ny fiofanana. Tsiahivina, azo lazaina ho niakatra ny haavo teknikan’i Murielle rehefa tafaverina avy any Thailande izy, nampihariny tamin’ny fifaninanana natrehiny ny traikefa azony.

Eo amin’ity taranja ity hatrany sy ao anatin’ny fiomanana amin’ny lalao olympika, isan’ireo nifaninana tamin’ny “Swimming Grand Prix” natao tany Afrika Atsimo, i Tendrinavalona Idealy Diaritiana. Fifaninanana nanomboka ny 5 janoary teo ary nifarana ny asabotsy 11 janoary. Mbola any an-toerana moa izy amin’izao fotoana izao, miatrika ilay “camp de notation” ho fanatsarana sy fampitomboana ny traikefa, mba hahazoana vokatra tsara amin’ny lalao olympika, indrindra ny fiomanana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika faritra fahefatra, hatao any Botsoana, ny volana febroary izao.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.