Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Jeddah, Arabia Saodita, ny famaranana niadiana ny «Super coupe d’Espagne», taranja baolina kitra. Lasan’ny Real Madrid indray izany tamin’ity, rehefa nandresy ny Atletico Madrid, teo amin’ny fandakana «tirs au but» 4 no ho 1. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta, tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy taorian’ny fanalavam-potoana, indroa miditra. Nifandanja ny lalaon’ny roa tonta, na somary nanan-tombo tamin’ny fanafihana aza ny Real. Samy niezaka naneho ny fahaizany ny andaniny sy ankilany. Ny ekipan’i Zidane, izay notarihin’i Ramos sy i Modric. Betsaka ireo baolina tokony ho tafiditry ry zalahy, saingy voasakan’ny vodilaharan’ny Atletico hatrany izany.
Nanao izay ho afany ihany koa tetsy ankilany ry Morata, saingy nahay i Thibaut Courtois, mpiandry tsatobin’ny Real, nanakana ny dakan’izy ireo. Mbola niseho ihany koa izay fahaizan’i Courtois izay, hatrany amin’ny fandakana “tirs au but”.
Fanindraika amby folo no nandrombahan’ny Real Madrid ity “Super coupe d’Espagne” ity, ary amboara voalohany azony tamin’ity taona vaovao 2020 ity, taorian’ny niverenan’i Zidane ho mpanazatra azy ireo indray.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.