Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanehoan-kevitra: namaly ny mpanohitra ny depiote Zoky Andry

Fanoherana bontolo no ataon’ ireo mitonona ho mpanohitra”, hoy ny depiote voafidy tao  Arivonimamo,  Rakotondravoavy Andry na i Zoky Andry. Nohitsiny  fa fanoherana tsy mifototra amin’ny fotokevitra mazava ny an’ny mpanohitra.  Baikon’ ny fankahalana fotsiny, araka ny nambarany. “ Aoka  tsy  ho fahanan-dalitra ny vahoaka madinika. Sehatra hanaovana adihevitra  ny eny Tsimbazaza ka aoka tsy handainga.  Tsy marina ny fisian’ izany faneken’ ny fanambadian’ny mitovy fananahana izany. Tsy mety  ny manao dika vilana”, hoy izy.   Notsiahiviny ny nambaran’ny  filoha Rajoelina ny amin’ny tsy fanekena ny fanambadian’ ny mitovy fananahana.

Etsy an-daniny, niantso ny tompon’andraikitra rehetra mba hijery ny marina sy handraisana  fepetra  amin’ireo ben’ny Tanàna  teo aloha handao ny sezany  ny  tenany. “ Mitaky ny hivoahan’ ny marina ireo mpanohitra. Avelao izy hitady izany. Ambaranay anefa  fa  tsy misy mihitsy izany TGV/Mapar mangala-bato izany. Takinay koa ny marina amin’ireo mpitantana teo aloha… Nanaja ny safidim-bahoaka izahay na  resy amin’ny salanisa kely aza…”, hoy ihany  izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.