Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandrindrana fifamoivoizana: tafaverina ny « police de la route »

Nanomboka omaly13janoary no tafaverina amin’ny fomba ofisialy ny “Police de la route” eo anivon’ny polisim-pirenena. Izay mbola voafetra eto amin’ny faritra Analamanga ihany aloha, raha ny nambaran’ny kaomisera Rakotozanany Dany Marius, Contrôleur Général de la Police teny Anosy, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo. Voalaza tamin’izany fa polisy telo farafahakeliny no miara-manatanteraka ny “Police de la route”. Fantatra araka izany fa efa nanomboka ny 6 janoary teo ny fanomanana natao mahakasikaka izany, dia ny fampitaovana hoenti-miasa izay andraisana ny fanontana ireo antontan-taratasin-tsazy, ny fanavaozana ny takelaka vy « halte police » mivalon-droa ho an’ireo kaomisaria foibe, kaomisaria distrika, hery vonjitaitra ary kaomisarian’ny boriborintany. Tafiditra tao anatin’ny fiofanana ihany koa ny fanamafisana ny traikefa, izay fepetra tsy azo ialàna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny PR ao amin’ny faritra iray. Ao ihany koa ny fampahafantarana sy fanabeazana ny olom-pirenena. Nohazavaina fa tao anatin’ny herinandro, maro ny hetsika natao hitaizana ny olom-pirenena, izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hanomanana ny tsirairay. Isan’izany ny fampilazana mialoha ireo tompona fiara izay mijanona maharitra amin’ny sisin-dalana mba hanala izany. Ho an’ireo faritra sasany, miverina ny PR rehefa vita tanteraka ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampitaovana rehetra.

 

H.H

 

Les commentaires sont fermées.