Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasemporana teny Anosizato Andrefana: nomen’ny ONE toromarika ny orinasa roa voakasika

Fahasemporana teny Anosizato Andrefana: nomen’ny ONE toromarika ny orinasa roa voakasika

Nanome torohevitra tsy maintsy tanterahina farany izay haingana ho an’ny orinasa roa Gama textile sy ny Stop insect nanao ny asa fandrarahana fanafody teny amin’ny orinasa Anosizato Andrefana, ny 4 janoary lasa teo ka niteraka fahasemporana tamin’ny mpiasa 60 ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE), araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny ONE, Raoninjatovoherivonjy Hajaridera, omaly teny Antaninarenina. Ho an’ny Gama textile, mitohy ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fangatahan’izy ireo ny Mise en conformité environnemental (MCE). Toromarika nomen’ny ONE koa ny tokony hanomezana fitaovana ny mpiasa rehefa manatanteraka ny asa (toy ny sarom-bava…). Mila ampahafantarina mialoha koa ny mpiasa rehefa misy zavatra atao ka mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamana. Tokony hametraka mpitsabo miandry raharaha koa ny orinasa raha misy mpiasa na asabotsy aza. Ho an’ny orinasa Stop insect, nanao ny fandrarahana fanafody, mila arahina ny fenitra (ora, andro…) amin’ny fandrarahana fanafody amin’ny toerana iray hisorohana ny loza. Hojerena indray ny fanasokajiana avy amin’ny ONE momba ny asan’izy ireo. Taorian’ny fidinana ifotony teny amin’ny toerana nitrangan’ny fahasemporana no nivoahan’ny toromarika ho an’ny orinasa roa. Nalain’ny zandary ny fanafody nararaka hanaovana fanadihadiana ary misy ny tompon’andraikitra manana ny fahaizana hanatanteraka izany eto amintsika.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.