Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CGM/ Goethe-Zentrum: tetikasa roa hotohanana

CGM/ Goethe-Zentrum: tetikasa roa hotohanana

Amin’izao fiandohan’ny taona 2020, karazana tetikasa roa no hahazo fanohanana avy amin’ny Cercle Germano-Malagasy/Goethe-Zentrum Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny andiany fahatelo ho an’ny tetikasa madinika. Lohahevitra amin’izany : « Ny tontolo iainana sy ny ekolojia ». Omena lanja amin’izany ny famoronana hisian’ny fifanakalozana. Hahazo fanampiana 1.500.000Ar ny tetikasa voafantina. Afaka mandray anjara ny mpisehatra amin’ny lamaody, ny sary, ny literatiora, ny poezia, ny teatra, ny mozika, sns. Tetikasa faharoa tohanan’ny CGM/Goethe-Zentrum Antananarivo ny «  #derOrt », na ilay famoronana hetsika kolontsaina amina toerana iray tsy noeritreretina hanaovana izany akory. Afaka mandray anjara amin’io avokoa ny tsirairay fa kendrena kosa mba hitondra zava-baovao na aina vao ho an’ny zavakanto ny fanatanterahana izany.

Marihina fa 1 marsa izao ny faran’ny fandraisana ny taratasy ho an’ny tetikasa « Ny tontolo iainana sy ny ekolojia ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.