Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Borigadin’i Morombe: zandary iray naratra, jiolahy telo mpamono olona tafaporitsaka

Borigadin’i Morombe: zandary iray naratra, jiolahy telo mpamono olona tafaporitsaka

Io indray koa! Naratra ny zandary iray miasa ao amin’ny borigadin’i Morombe noho ny kapoka varavarana nataon’ireo jiolahy nohidiana tao amin’ny biraon’ny zandary. Tafaporitsaka tampoka ireo jiolahy raha namoha ny varavarana nihazonana azy ireo ity zandary ity…

Teo am-pamohana ireo jiolahy notazonina tao amin’ny biraon’ny zandary, ny zandary mpiandry raharaha iray tao amin’ny borigadin’i Morombe, ny alahady maraina teo no nodonin’izy ireo tampoka tamin’ny varavarana. Vokany, fanina tsy nahatsiaro tena sady naratra ilay zandary noho ny dona nahazo azy tamin’ny varavarana. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy satria fantatra fa tetika efa nomanin’izy ireo izao, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nanapoaka basy avy hatrany ilay zandary, saingy tsy nahavoa ireo jiolahy ary teo amin’ny fanindroany aza tsy nipoaka ny basy, izay somary mahavariana ihany, raha ny fanazavana voaray. Jiolahy raindahiny izy telo lahy ireto ary namono olona ry zalahy ka izay no antony nanateran’ireo mpanao Dinabe azy ireo teny amin’ny zandary mba hialana amin’ny fihoaram-pefy sy mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Tafaporitsaka tampoka anefa ry zalahy. Manoloana ity raharaha ity, niroso tamin’ny famotorana avy hatrany ny eo anivon’ny zandarimaria sao dia misy tandrevaka na firaisana tsimbakomba. Jiolahy tena atahorana ireto tafaporitsaka tampoka ireto ka manaitra ny rehetra ny any Morombe sy ny manodidina mba handray andraikitra amin’ny fanentanana ny fikarohana sy ny fisamborana ireto raindahiny amin’ny vonoan’olona ireto. Nangataka fiaraha-miasa amin’ireo mpiray dina ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hifanampy amin’ny fisamborana azy ireo. Miara-misalahy, araka izany, ny mpiray dina sy ny zandary amin’ny fikarohana ireto jiolahy ireto.

CMS sy J.C

Les commentaires sont fermées.