Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antony iray miteraka delestazy: tsentsin’ny fako sy tototry ny fasika Andekaleka

Antony iray miteraka delestazy: tsentsin’ny fako sy tototry ny fasika Andekaleka

Tandindomin-doza mandrakariva ny tohodrano lehibe ao Andekaleka. Azo lazaina ho efa loza mihatra mihitsy izany, vokatry ny fahapotehan’ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Tsentsin’ny fako sy tototry ny fasika ny fidiran’ny rano amin’ny fantsona mankany amin’ny toby famokarana angovo. “Taona maro ny tranga toy izao iainan’ny mpiasan’ny Jirama, ka amin’ny fotoana rehetra, na mazava na maizina na mafana na mangatsiaka, rehefa tsentsina ny fantsona mitondra ny rano, tsy maintsy midina any ambanin’ny tohodrano ny mpiasa manala ny fako rehetra, araka izay fitaovana kely eo am-pelatananay”, hoy ireo mpiasa ao Andekaleka. Vokatr’izay anefa, tsy maintsy ahena ny famokarana miainga avy ao amin’ny toby, antony iray lasa mitarika fahatapahan-jiro.

Araka ny fanazavan’ireo teknisianina ao amin’ny Jirama, raha tsy ampy ny rano mampihodina ireo milina, tsy feno ny famatsiana herinaratra.

Nanamafy io fanimbana ala io ny ao Andekaleka, miantso ny tompon’andraikitra rehetra, ireo minisitera samihafa handray fepetra tandrify azy. Manenjika ireny olona ireny ihany ny zandary any an-toerana, saingy tsy voasakana ny fahapotehan’ny ala. Noho izany, tokony hisy laminasa fampandrosoana mazava ho an’ny kaominina rehetra.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique