Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampy ny orana: tsara ny varialoha

 

Fotoana fiakaran’ny varialoha izao! Anisan’ny manao azy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ny eny Betsimitatatra sy Laniera. Toraka izany koa ny any amin’ny faritra sasany any Anjozorobe, Itasy, sns. Matetika manao varialoha ny faritra iva, satria mora tratry ny rano indray raha tena ao anaty fotoam-pahavaratra. Nilaza ny mpamboly, toa an’i Rtoa Rabery eny Laniera, Anosivavaka Ambohimanarina fa tsara ny vokatra tamn’ity taom-pambolena 2019-2020 ity, satria ampy tsara ny rotsak’orana sy ny hafanana, singa tena ilain’ny vary. Azo antoka ny ahazoana vary akotry 3 taonina amin’ny tany iray hekitara.

Tsy amidy, tsy mahavita taona

Tsy mivarotra vary ny ankamaroan’ny mpamboly varialoha. Mizara ampahany amin’ny tompon’ny tanimbary izy ireo, ka isasahana ny vokatra, rehefa avy nesorina ny masomboly hampiasaina amin’ny taom-pambolena manaraka. Tsy maintsy mivarotra ampahany kely ihany anefa, satria mila lelavola hanonerana ny masonkarena, nanaramana tamin’ny fikarakarana ny tanimbary, indrindra ny niasa tany, ny nanetsa, ny mijinja, ny vidin-jezika, sns. Tsy mahavita taona ihany koa, fa tsy maintsy mividy vary manomboka eo amin’ny volana aogositra na septambra eo, mandra-piakatry ny vokatra manaraka indray.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.