Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alaotra: hamoaka boky ny mpitarika mpizahatany

Alaotra: hamoaka boky ny mpitarika mpizahatany

 Havoakan’ny Fikambanana firaisankinan’ny mpitari-dia aty Alaotra. amin’ny faramparan’ity volana janoary ity ny Drafitra ara-pizahantany voalohany mikasika iny faritra iny. Ahitana sary sy lahatsoratra ity boky ity, ampahafantarana ireo mahaliana, hisarihan’ireo mpitari-dia  mpikambana, mpizahatany avy any ivelany sy avy any amin’ny faritra hafa eto amin’ny Nosy, indrindra koa ny mponina aty an-toerana. Hanombohan’izy ireo azy ny ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.

Mitarika ny SGTA, Andriamasinoro Laingosoa, ahitana mpikambana miisa 12 mianadahy. Nanatevina ny fahaiza-manaony izy ireo, ny 10 hatramin’ny 12 janoary teo, niaraka tamin’ny mpitari-dia matihanina, Andrianomenjanahary Fenosoa. Nofaranana tamina fiaraha-mijery sy fiaraha-mikaroka ny fomba mahomby hanajariana ireo zava-misy aty an-toerana  ho azo”amidy”, hisiana lalam-piharian-karena ara-pizahantany aty amin’ny faritra Alaotra.

Nahatsangana orinasa

Misy amin’ireo mpikambana, toa an-dry Rabezatovo Haja Nirina, efa nahatsangana orinasa mpikarakara mpizahatany (Agence de voyage) ny TourDAlaotra, ao  amin’ny lot 18 128, Avaradrova-Ambatondrazaka. Efa lasa tambajotra, araka izany ny SGTA fa tsy mionona amin’ny maha fikambanana intsony. Nisy tanora lahy sy vavy  maro, voasinton-dry Laingosoa tamin’iny fizahana ireo zava-misy mety trandrahana ara-pizahantany iny, avy any Fianarantsoa ny iray amin’ireo.

Mila fanohanana ireto tanora ireto. Ny Foibem-paritra efa naharafitra ny Drafi-paritra ara-pizahantany sy manome mpampiofana, ny Ofisim-paritra Alaotra Mangoro (Ortalama) efa manamasaka haha-raikitra ny hetsika Tonta…. Hifandray ihany angamba ny tandavanalan’i Maromizaha sy Zahamena?

*SGTA : Solidairité des Guides Touristiques de l’Alaotra

Rarivo                      

Les commentaires sont fermées.