Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsena iraisam-pirenena: nidina ny vidin-tsolika

Tsena iraisam-pirenena: nidina ny vidin-tsolika

Na teo aza ny toe-draharaha mafana any amin’ny tany arabo, nidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny tady mihenjana eo amin’Iran sy Etazonia, farany teo, izay mbola tsy mifarana hatramin’izao. Nihena 0,6% ny vidin’ny iray baril, lasa 64,98 dolara, tany amin’ny tsena anglisy, Brent, izay hamidy eo amin’ny tsena amin’ny volana marsa. Nihena 0,9%, lasa 59,04 dolara kosa ny barila any amin’ny tsena amerikanina WTI, NewYork, hamidy eo amin’ny tsena, ny volana febroary ho avy izao.

Tsiahivina fa tsy nitsaha-niakatra ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nandritra ny dimy herinandro.

Tsy mihetsika kosa ny vidin-tsolika eto Madagasikara, efa amam-bolana maro, nanomboka ny volana jona 2019. Tsy manampy vola ny mpandraharaha sy ny mpaninjara solika intsony ny fanjakana, nanomboka amin’ity taona 2020 ity, hanentsenana ny banga na ny elanelam-bidy, araka ny toromariky ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, satria mila ampiharina ny tena vidiny araka ny tsena iraisam-pirenena.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.