Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rivodoza sy andro ratsy: 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana

Rivodoza sy andro ratsy: 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana

 

« Misy voka-dratsiny lehibe eo amin’ny toekarena eto Madagasikara ny loza voajanahary, misakana ny ady amin’ny fahantrana », hoy i Michel Matera, mpanadihady manokana momba ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. 27 ny rivodoza namely an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 2009-2018 ka raha tombanana, 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana aterak’izany noho ny tondradrano sy ny fahasimban-javatra.

Mitombo izay voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary izay amina faritra maro, toy ny nitranga any Mahajanga sy ny teto an-dRenivohitra amin’izao fiandohan’ny taona izao. Be ny rava fananana, trano simba, lalana tapaka, andrin-jiro sy tamboho maro nirodana, hatramin’ny aina nafoy… Fahavoazana miantraika amin’ny isam-pianakaviana ireny. Ho fiatrehana izany, nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD (Agence française de développement) ny famatsiam-bola fanarenana. 50 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, miampy 11,7 tapitrisa dolara avy amin’ny AFD.

Tamin’ny fankatoavana izany famatsiam-bola izany, tokony hojerena akaiky ireo fianakaviana sahirana niharan-doza, raha ny tolo-kevitra avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Famatsiam-bola atao indrindra hiomanana amin’ny fiavian’ny loza voajanahary, tsy hiteraka famoizana aina, sy faharavan’ny fotodrafitrasa any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe. Ao anatin’izany fanampiana izany koa ny vonjy voina ireo traboina sy ny hanarenana faran’izay haingana izay fotodrafitrasa rava. Eo rahateo ny BNGRC*, mamaritra izany araka ny lalàna.

 

R.Mathieu

 

 

BNGRC* : Bureau national de gestion des risques et des catastrophes.

Les commentaires sont fermées.