Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanamafy ny voka-pifidianan’ny Ceni ny Taf: ben’ny Tanàna faha-10 hitantana ny CUA A. Naina

Nanamafy ny voka-pifidianan’ny Ceni ny Taf: ben’ny Tanàna faha-10 hitantana ny CUA A. Naina

Hisoratra eo amin’ny tantaran’Antananarivo sy i Madagasikara. Voafidy ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), omaly, Andriantsitohaina Naina. Mpitantana faha-17 ny Renivohitra ny tenany, manomboka izao …

Tsy nisy fiovana amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny nambaran’ny eo anivon’ny Taf, omaly. Nandresy ary voafidy ho ben’ny Tanàna eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) Andriantsitohaina Naina. Kandidà natolotry ny IRK ny tenany ary notohanan’ny antoko politika sy ny fikambanana maro. Tsy nambara tamin’ny filazana ny voka-pifidianana ny salanisa. Na izany aza, manodidina ny 48% ny vato azony, nanoloana ny mpifanandrina aminy, ny kandidàn’ny Tim.

Tsy nisy fiovana koa ny voka-pifidianana teo amin’ny mpanolotsaina ho an’ny CUA. Samy nahatafiditra mpanolotsaina 25 avy ny IRK sy ny Tim. Telo kosa ny an’ny tsy miankina Komba ary iray avy koa ny tsy miankina Ravololomanana Lalatiana sy ny mahaleo tena roa  hafa.

Nifandimbiasan’ny PDS sy ny ben’ny Tanàna

Miisa 17 izany izao ireo ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka sy ny mpitantana na koa PDS nitondra ity Renivohitra  ity, hatramin’ny niverenan’ny Fahaleovantena no ho mankaty. Anisan’izany Rakotonirina Stanislas, Andriamanjato Richard Mahitsison,
Andriananja Charles, Rakotovao Andriantiana, Razanamasy Guy Willy, Andrianjafy
Désiré Lalao, Ravalomanana Marc, Rajemison Rakotomaharo,
Ramiaramanana Patrick, Rafalimanana Hery, Rajoelina Andry, Raheriarivao Marie Michelle, Randrianarisoa Guy Rivo, Razafindravahy Edgard Marie Noé, Andriamanjato Ny Hasina,
Rakotonirainy Lalao Harivelo Ravalomanana ary Andriantsitohaina Naina.

Maika ny fandraisana andraikitra

Nisaotra ny Taf sy ny vahoaka nifidy ary koa ny niandrasana am-pitoniana ny voka-pifidianana ny ben’ny Tanàna tetsy Anosy, avy niatrika  ny fanambarana ny voka-pifidianana. “Miandry ny fotoana homen’ny ben’ny Tanàna teo aloha hanaovana ny famindram-pahefana sy ny fitantanana. Faniriana mba tsy ho ela izany. Tsy hoe maika, saingy hita fa tsy mandroso ny asa. Ny fotoana mandeha ary ny andro fahavaratra ka ilaina maika ny fandraisana andraikitra… Mangataka ny hanafainganana ny famindram-pahefana”, hoy izy.

Synèse R. sy Tiana

Ireo teboka valo amin’ny “Veliranon’Iarivo”, iarahana amin’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina : ny fanatsarana sy ny fanohanana ny mahasoa ny mponina. Ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny kaominina. Ny fijerena ireo tsenakely, fototry ny fandrosoan’ny toekaren’ny tanàna, ny fandraharahana antoky ny fampandrosoana.

Eo koa ny ady amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny fanatanjahantena sy ny fialamboly ary ny fanainga mampiray ny tanora.

Ny fametrahana Antananarivo, tanàna maitso. Antananarivo, Renivohitry ny kolontsaina sy ny tantara ary ny fampiroboroboana ny toeram-ponenana mendrika sy ny fanomezan-danja ireo tanàna miorina.

Les commentaires sont fermées.