Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Alefa andriamatoa ben’ny Tanàna ! »

« Alefa andriamatoa ben’ny Tanàna ! »

« Ny fiovan’ny foto-pisainana hamerenana ny hasin’ny soatoavina malagasy, ny firaisankina, ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana ho an’ny mponin’Antananarivo iray manontolo, tsy ankanavaka ». Fehezanteny manan-danja, notsongaina manokana tao anatin’ny teny fanolorana ilay boky « Veliranon’Iarivo » mirakitra ny fandaharanasany, nataon’Atoa Andriantsitohaina Naina izany, fony izy nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny maha kandidà ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra azy, tetsy Antanimena, dimy volana lasa izay. Dimy volana aty aoriana, nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, omaly, ny didy mirakitra ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Ceni. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, araka izany, fa voafidy ho ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina.

Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra iray manontolo manomboka izao ny tenany fa tsy ben’ny Tanànan’antoko IRK nanolotra azy ihany. Tao anatin’izay dimy volana izay, indrindra, nandritra ireny fotoan’ny fampielezan-kevitra ireny, tao ireo mpanaraby, mpamendrofendro… Anisan’ilay « fiovan’ny foto-pisainana » notsipihiny ary andrasana amin’ny rehetra izany. Indrindra amin’izao fanombohan’ny asa goavana fanarenana an’Antananarivo, « Antananarivo tanànantsika », araka ny fomba filazany azy izao.  Maro ny miandrandra izany ankehitriny, raha tsy hiteny afa-tsy izay zava-nitranga teto an-dRenivohitra, niainan’ny rehetra vao andro vitsivitsy lasa izay, vokatr’ilay orambe sy rivotra farany teo ireny. Fa tsy izay ihany.  Ny tena fanamby lehibe napetrak’Atoa ben’ny Tanàna vaovao dia ny hahatonga an’Antananarivo, renvohitr’i Madagasikara hahita ny hasiny sy ny toerany… “Alefa andriamatoa ben’ny Tanàna !”

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.