Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy hanafatra vary intsony: velaran-tany 100.000 ha hajariana

Tsy hanafatra vary intsony: velaran-tany 100.000 ha hajariana

Anisan’ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo napetraky ny fanjakana ny tsy hanafarana vary any ivelany intsony, sady ny hahasompitry ny ranomasimbe Indianina an’i Madagasikara.

Araka izany, maro ny lemaka hohajariana manerana ny faritra, mitotaly 100.000 ha, hovitaina ato anatin’ny dimy taona (2020-2025), ka hanomboka amin’ity taona 2020 ity. Anisan’ny midadasika indrindra amin’izany ny hanajariana ny lemak’i Bas Mangoky, faritra Menabe sy Melaky, mirefy 50.000 ha, iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Fida). Eo koa ny any Bekapila Port Bergé (faritra Sofia), mirefy 11.000 ha, iarahana amin’ny Indianina, 4.000 ha any Alaotra, iarahana amin’ny Sinoa.

Misy koa ny velaran-tany madinidinika, any amin’ny distrikan’Ambilobe, Antsirabe, Farafangana, , Bealanana, Marovoay, Ambovombe, iarahana amin’ny Fida, ny Vondrona eoropeanina ary ny Banky iraisam-pirenena, mitotaly 10.000 ha.

Mahatratra 25.000 ha kosa ny masomboly nohatsaraina hanaovana vary an-tanety, any Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania.

Nanafatra vary 530.000 t

Maro ny tanjona nataon’ny fitondrana nifandimby hanatsarana ny famokaram-bary eto amintsika, saingy tsy nety tratra. Hatreto, nanafatra vary avy any ivelany hatrany i Madagasikara satria tsy ampy ny vokatra ato anatiny.

Milanja 210.000 taonina isan-taona ny salanisan’ny vary fotsy nafarantsika avy any ivelany. Fa efa nanafatra vary fotsy 530.000 t  isika, ny taona 2018, satria ratsy ny vokatra, noho ny tondradrano. Nahatratra 2.400 Ar ny salambidin’ny vary fotsy iray kilao, niantraika mafy tany amin’ny mpanjifa.

Ahazoana vary fotsy 700 kilao ny vary akotry iray taonina (1.000 kilao). Tsy misy ny tarehimarika ofisialy, fa tombanana manodidina ny 4.000.000 t isan-taona ny filana ara-bary (vary fotsy) hohanin’ny Malagasy, ahitana mponina 25 tapitrisa. Etsy an-kilany, araka ny antontanisan’ny FAO, manodidina ny 3.500.000 t isan-taona ny vary akotry vokatra eto Madagasikara.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.