Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanabeazana vatana: hampiasain’ny mpianatra ny kianja «annexe»

Na eo aza ny asa fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina, nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny prezidansa fa hotsinjovina manokana ireo mpianatra manao fanabeazana vatana ao. Noho izany, omena ampiasain’izy ireo ny kianja fanampiny «annexe». Maro mantsy ireo sekoly tsy manana fotodrafitrasa ka mampiasa ny kianjaben’i Mahamasina.

Tsy maintsy jerena manokana izy ireo satria eo ireo manomana ny fanadinam-panjakana, toy ny BEPC sy ny bakalorea. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fifampiresahana mahakasika ireo olona hafa mipetraka ao amin’ny kianja sy ireo taranja hafa. Voatery akisaka ihany koa ny tsenan’i Mahamasina, isaky ny alakamisy.

Tsy ho voakasik’ity fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina ity kosa ny lapan’ny Fanatanjahantena.

 

Tompondaka

 

 

 

Les commentaires sont fermées.