Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra ambodiomby: mpiasan’ny Jirama miisa sivy nangalatra solika 170 litatra  

Tratra ambodiomby: mpiasan’ny Jirama miisa sivy nangalatra solika 170 litatra   

 

Mpiasan’ny Jirama miisa sivy tratra am-body omby, teo am-pangalarana solika 170 litatra natao tao anatine bibon miisa sivy tao Ambositra ny faran’ny herinandro lasa teo.

Solika 170 litatra tao anatina « bidon » 20 litatra miisa sivy no sarona, nandritra ny halatra solika tao amin’ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama Ambositra, ny zoma lasa teo. Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ireo mpiasan’ny Jirama miisa sivy no tra-tehaka, ary mbola tratra teny aminy ihany koa ny solika 170 litatra anatina “bidon” 20 litatra. Naiditra  am-ponja vonjimaika avy hatrany  ireo mpiasa tra-tehaka ireo, raha toa ka mbola hanaovana famotorana kosa ny mpiasan’ny Jirama Ambositra rehetra, amin’izao fotoana. Manoloana izany, hametraka fitoriana ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary ny Akoranafo sy ny Jirama. Araka ny fantatra, nametraka fiaraha-miasa amin’ny zandarimaria any an-toerana ihany koa ny talem-paritry ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary Akoranafo Ambositra ho fanamafisana ny fiambenana ity toby ity, indrindra amin’izao andro fety izao.

Ny halatra izay heverina fa madinika tahaka izao no tena mandrendrika ity orinasam-panjakana Jirama ity. Tsara ho marihina anefa, ny 70 isan-jaton’ny famokarana herinaratra eto amintsika dia mbola miodina amin’ny Solika avokoa ka raha misy tsy fahampiana amin’ny tobim-pamokarana iray, dia tsy maintsy miafara amin’ny fahatapahan-jiro izany. Iaraha-mahalala ihany koa anefa fa latsaka ankaterena tanteraka ny orinasam-panjaka Jirama ka ny fahafahana mamongotra itony karazana halatra itony dia efa fanoitra lehibe ho an’ny fahafahana manarina ny orinasa. Noho izany, hentitra ny minisitera amin’ny fampitandremana ireo mpiasan’ny Jirama rehetra manerana ny Nosy, ary ihany koa mba tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony.

H.H

Les commentaires sont fermées.