Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiatrana eny Anosy ny Emmo/Reg: hanao rodobe ho eny amin’ny fitsarana ny mpanohitra

Hiatrana eny Anosy ny Emmo/Reg: hanao rodobe ho eny amin’ny fitsarana ny mpanohitra

Tsy hihemotra fa hanao amboletra ka ahiana ho tonga amin’ny fifandonana. Hitarika vahoaka ho eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana  (Taf), anio ny avy amin’ny Tim sy ny Rodoben’ny mpanohitra (RMDM). Hafampana izany eny an-toerana anio…

Mazava ny toromarika sy ny tian’izy ireo hahatongavana. “Raisiko ho adidy hatramin’ny farany ny hiady ho amin’ny fahamarinana …  Tereo aloha ny mpitandro filaminana hibaiko ny Andrimpanjakana hanery mba  hamoaka ny marina mialoha ny handefasana Emmo/Reg hisambotra. Aza atao hery famoretana foana eto amin’ity firenena ity  izy ireo. Mino aho fa hijery manokana ny vahoaka ho amin’izany fahamarinana izany ianao amin’ny maha Raiamandreny mpitondra fanjakana anao. Tombony ho anao ny fisian’ny olona mijoro ho an’ny fahamarinana. Isika tsy handany andro ao amin’ny Magro, ka hitabataba eto foana na tsy hisy hihaino aza”, hoy ny kandidà  Randriamasinoro Ny Riana. Nanome toky ny vahoaka ny tenany fa tsy maintsy hihaona amin’ny vahoaka.

Tsy tokony hisy ny sakantsakana

Nohamafisina tetsy Bel Air izany, omaly, ka nilazana fa tsy tokony hisy ny sakantsakana. “Ny fahamarinana tsy atao kitoatoa ary isika manana porofo. Tongava marobe fa tsy misy afaka hanakana antsika amin’ny fametrahana fitarainana miaraka amin’ny porofo vaovao. Miaro ny hoavin’ny tanaraka sy ny tanàna ary koa ireo kandidà hafa mitaky fahamarinana isika”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra. Tsy hisy fanelingelenana ho an’ny rehetra izany ka tsy tokony hosakanana izy ireo fa zo voalazan’ny lalàmpanorenana ka samy hanao ny asany avy, araka ny nambarany…

Hitondra porofo vaovao…

Nanamafy izany ny kandidà Ny Riana ka nanambara fa efa nanao ny fangatahana izy ireo. Tsy nahazo alalana anefa ka tsy hisy ny filaharana fa eny amin’ny Taf avy hatrany ny fotoambe.”Am-panajana sy am-pilaminana izany ary hijoro amin’ny porofo momba ny fahamarinana tamin’ny fifidianana”, hoy izy.

Etsy andaniny anefa, efa mivonona sy hiatrana eny Anosy sy ny manodidina ny eo anivon’ny Emmo/Reg. Hanaraka akaiky izany indrindra amin’ny mety ho fihoaram-pefy satria tsy nahazoana alalana ny fihetsiketsehana na koa ny fivorivoriana na filaharana.

Asabotsy mifankahita !

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.