Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cites: sokatra Radiata miisa 88 tratra tany Kaomoro

Cites: sokatra Radiata miisa 88 tratra tany Kaomoro

Nisy sokatra Radiata miisa 88 tratran’ny polisy kaomorianina, ny volana novambra lasa teo, tany amin’ny nosy Kaomoro. Naondrana antsokosoko avy aty Madagasikara ireo sokatra ireo, izay ny Cites (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore) any an-toerana no nampandre ny Cites eto Madagasikara ny fahitana azy ireo. Ao anatin’ny fanaovana fanadihadiana mahakasika ny nahatongavan’izany ry zareo.

Ny 26 desambra teo, tonga teny Ivato ny 72 tamin’ireo sokatra 88. Sidina Air Madagascar manana fiaraha miasa amin’ny Cites Madagasikara nitondra azy ireo, ka nanamora ny fampodiana ireto sokatra ireto. Efa noraisina an-tanana avy hatrany ireo sokatra ireo teo am-pahatongavana ary arahi-maso akaiky ny fahasalamany alohan’ny hampodiana azy any atsimo, toerana niavian’izy ireo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.