Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «UFFOI 2019»: nomen’ny filoha Rajoelina 1 tapitrisa Ar avy ny Barea

Kitra – «UFFOI 2019»: nomen’ny filoha Rajoelina 1 tapitrisa Ar avy ny Barea

Taorian’ny nandrombahan’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy U20 ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina “UFFOI 2019”, taranja baolina kitra, izay notanterahina tatsy Maorisy, ny 12 – 22 desambra lasa teo, noraisin’ny filoham-pirenena, tetsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly izy ireo. Tamin’izany no nilazany fa nanao ezaka ny Barea ary nametraka ilay hambom-po, hoe tsy maintsy voalohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina.

Noho io ezaka io, nanolotra fankasitrahana lelavola 1 tapitrisa Ar avy ho an’ireo mpilalao sy ny ekipa teknika rehetra niatrika izany ny filoham-pirenena. Nohamafisiny fa mbola ho ampiana izy ireo amin’ny fihaonana rehetra atrehiny. Nisaotra ny filoham-pirenena, Rabekoto Raoul, tamin’ny fanampiana sy fankasitrahana ny Barea. Ho mariky ny hafaliana, natolotra ny filoham-pirenena ny amboara azo, tatsy Maorisy. Nasain’ny filoham-pirenena, najanona ho an’i Tombo Nouvelinah, kosa ny amboara azony, tamin’ny naha voafidy azy ho mpampidi-baolina be indrindra sy naha voahosotra azy ho mpilalao mendrika. Nohamafisin’ny filoha Rajoelina fa amin’ny efitrano iray ao amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, izay asiam-panamboarana ny amboaran’ireo rehetra nahavita be sy ny sariny, ho fahatsiarovana sy hojeren’ireo mpankafy ary ny taranaka any aoriana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.