Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2022»: ao amin’ny satroka fahatelo ny Barea

Tontosa omaly ny fisarihana ireo ekipa izay ho anaty satroka, amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2022”, tanterahina any Quatar. Fantatra ary fa tafiditra ao anaty satroka fahatelo ny Barea de Madagascar, miaraka amin’i Maoritania, Lybia, Mozambika, Kenya, Repoblikan’i Centrafrique, Zimbaboe, Niger, Namibia ary i Ginea Bisao. Misy amin’izy ireo no ekipa efa diso fantatry ny Barea tsara, toa an-dry zareo Nizerianina, ny Namibianina sy ny Kenyanina ary i Mozambika.

Marihina fa hatao ny 21 janoary ho avy izao ao amin’ny Hotel Ritz – Carlton ao Le Caire, Egypta ny antsapaka, hahalalana izay iray vondrona amin’ity fifanintsanana ity. Hanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny oktobra 2021, izany. Hiatrika ny fihodinana fahatelo, kosa ireo ekipa 10 tafavoaka, izay hanao lalao dimy avy, mandroso sy miverina. Hisolotena an’i Afrika any amin’ny “Mondial 2022” kosa ireo dimy tafavoaka.

 

Tompondaka

Ireo ekipa miray satroka :

-Satroka 1 : Senegal, Tonizia, Nizeria, Maraoka, Ghana, Egypta, Kameronina, Mali, RD Kongo.

-Satroka 2 : Burkina Faso, Côte d’Ivoire, Afrika Atsimo, Ginea, Ogandà, Cap-Vert, Gabon, Bénin, Zambia, Kongo

-Satroka 3 : Madagasikara, Maoritania, Lybia, Mozambika, Kenya, Repoblika Centrafrique, Zimbaboe, Niger, Namibia, Ginea Bisao

-Satroka 4 : Malawi, Angola, Togo, Soudan, Roandà, Tanzania, Ginea Ekoatorialy, Etiopia, Lyberia, Djibouti.

 

Les commentaires sont fermées.