Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – Amboaran’i Madagasikara: tanterahina anio ny antsapaka

Judo – Amboaran’i Madagasikara: tanterahina anio ny antsapaka

Ho famaranana ny taom-pikatrohana 2019, ho an’ny taranja Judo, hotanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, rahampitso asabotsy 28 desambra sy ny alahady 29 desambra izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Rahampitso eny an-toerana ihany, ny hanaovana ny antsapaka hahafantarana ireo izay hifanandrina amin’ity fifaninanana ity. Andrasana ny fandraisana anjaran’ireo Judokas avy amin’ny faritra, mandritra io roa andro io, indrindra fa ny avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana izay ahitana atleta manana ny maha izy azy, efa nandrombaka medaly maro nandritra ny fifaninana iraisam-pirenena, tamin’ity taona ity. Isan’ny ady goavana andrasana, noho izany, izy ity, taorian’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, natao ny faran’ny volana aogositra lasa teo.

Araka izany, hivoaka anio, ny anaran’ireo mpikatroka tsirairay sy izay hifanandrina amin’ny ary araka ny fandaharam-potoan’ity fifaninanana ity, ny alahady tolakandro no hanaovana ny famaranana ka hahafantarana indray izay hibata ny amboara isan-jokajiny. Tsiahivina, ny sokajy minime, cadet, junior, senior, lahy sy vavy no hifanintsana mandritra ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2019 ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.