Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra Malagasy: hatao ny 28 sy 29 janoary ny kaonferansy nasionaly

Kitra Malagasy: hatao ny 28 sy 29 janoary ny kaonferansy nasionaly

Hisantaran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny taona vaovao 2020, ny fikaonandoham-pirenena. Fihaonana hikaroham-bahaolana ho fampandrosoana ny taranja ary hamoahana tsoa-kevitra.

Araka ny tapaky ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, hotanterahina eto Antananarivo ny 28 sy ny 29 janoary 2020 ny fikaonandoham-pirenena. Fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny federasiona, Rabekoto Raoul Romain, tao anatin’ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana natao tany Toliara, ny volana aogositra lasa teo, izany.

Loha-hevitra hodinihina mandritra io roa andro io ny fampitambarana ny fisaratsarahana eo amin’ity tontolon’ny baolina kitra ity. Tanjona ny fandraisana sy fihainoana ny hevitra rehetra ary ireo fitarainana samihafa avy amin’ireo mpisehatra isan-tokony, manerana ny Nosy.

Mpisehatra manodidina ny 130 eo no hanatrika sy hikaondoha, amin’izany. Ho voasolo tena avokoa izay rehetra voakasiky ny baolina kitra toy ireo mpitantana ny ligim-paritra, ireo mpanazatra sy mpitaiza. Eo koa ireo mpilalao fahiny sy ny amin’izao fotoana izao, ny solontenan’ny minisitera sy ny avy amin’ireo sehatra iraisam-pirenena, ny mpanao gazety, ny mpanohana ary ny avy amin’ny mpiray ombonantoka.

Aorian’ny fahavitan’io fikaonandoham-pirenena io, hisy drafitra stratejika hivoaka ho fampandosoana ny baolina kitra ary hiara-dalana amin’ny fandaharanasa, isaky ny efa-taonan’ny federasiona, izay hahafahan’ny rehetra misitraka azy ny fidirana sy fandraisana anjara, amin’izany.

Marihina fa efa ela no niandrasan’ny mpitia baolina kitra sy ireo mpilalao ny mba hisian’izany fikaonandoham-pirenena amin’ity taranja imatimatesan’ny Malagasy loatra ity.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.