Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Basket Africa League”: hanomboka ny feboary 2020

“Basket Africa League”: hanomboka ny feboary 2020

Mbola vaovao nahoraka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny vokatra tsara azon’ny GNBC, nandritra ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny BAL (Basket Africa League), taona 2020. Taorian’ny lalao manasa-dalana nihaonan’ny ekipa malagasy, tamin-dry zareo Mozambikanina, nahazoantsika fandresena 94-90, no nahafantarana fa isan’ireo ekipa 12 hiatrika ity fifaninanana goavana ity i Madagasikara, amin’ny alalan’ny GNBC. Ny volana febroary izao no hanomboka io lalao io ary haharitra hatramin’ny fiafaran’ny taona 2020.

Raha tsiahivina, nigadona teto an-tanindrazana, ny talata lasa teo ny ekipan’ny GNBC, rehefa nahazo ny laharana faharoa, tamin’ny lalao fifanintsanana, raha nifanehatra tamin’ny ekipan’ny Patriots Roanda, ka nolavoin’ity farany tamin’ny isa 94 no ho 63.  Nakotroka ny fitsenanan’ny fianakaviamben’ny zandarmariam-pirenena azy ireo, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Toy ny efa mahazatra, tamin’ny alalan’ny fitsofana mozika no nitsenana ireto mahery fontsika ireto.

Nambaran’ny mpanazatran’ny GNBC, tsy mbola tapitra hatreo ny lalana, mbola ady goavana no miandry amin’iny taona 2020 iny ka hampitomboina hatrany ny fanomanan-tena. Tanjona ny hampiakatra ny lentan’ny mpilalao ary ny hampisongadina ny ekipa malagasy eo amin’ny sehatra afrikanina. Ireto avy ireo ekipa 12 hiatrika ny BAL 2020: AS Douanes (Senegaly), AS Police (Mali), AS Sale (Maraoka), GNBC (Madagasikara), GS Pétroliers (Alzeria), FAP (Kamerona), Ferroviario (Mozambika), Petro de Luanda (Angola), Patriots (Roanda), Rivers Hoppers (Nizeria), Union Monastir (Tonizia), Zamalek (Egypta).

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.