Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mailo ny FJKM ary nanamafy ny hafatry ny FFKM: «Tsy ekena ho fanambadiana ny firaisan’ny mitovy fananahana»

Mailo ny FJKM ary nanamafy ny hafatry ny FFKM: «Tsy ekena ho fanambadiana ny firaisan’ny mitovy fananahana»

Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny FJKM manoloana ny tranga  niseho tato ho ato. Anisan’izany ny momba ilay rindran-tsary natao tany am-piangonana ahitana mpanankato lahy manambady lahy. Eo koa ny momba ilay lalàna mahabe  resaka teny amin’ny Antenimiera.

Mazava ny fitsipika sy ny foto-dalàna, araka ny nambaran’ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, tetsy Vohifiraisana, omaly tamin’ny mpanao gazety.  “Tsy  ekena ho fanambadiana mihitsy ny firaisan’ny samy lahy na samy vavy”, hoy izy.  Nohamafisiny amin’ireo fanambarana tamin’ny synaoda faha-17  tany Manakara, ny taona  2012 sy ny synaodam-pinoana  natao ny mey 2018 izany. “Tsy afaka miaraka ny maha  kristianina sy ny framasaonery. Tsy afaka miaraka ny maha  kristianina sy ny “homosexualite”, hoy  ihany izy. 

Mazava ny fanambaran’ny FFKM

Manampy izany ny fiombonan’ny FJKM amin’ny fanambaran’ny FFKM  tamin’ny komity foibe tany Tsiroanomandidy, ny volana novambra  2018 teo. Mitsipaka marindrano izany  ary efa niahiahy ny  tranga tahaka izao tamin’izany fihaonambe  izany. “Fanambadiana ho an’ny mitovy fananahana : Fahotana  sy  tsy fanajana ny tenan’olombelona  sy ny fanambadiana ary aretina io ka lavin’ny fiangonana. Toy izany koa  ny firaisana ara-nofo amin’ireo mitovy fananahana. Lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray, araka  ny famoronan’Andriamanitra azy no ekena ho mpivady ka tsofin’ny fiangonana rano”, hoy ny fampahatsiahivany. Nanteriny  manokana ny hafatrafatra  ho an’ireo mpanao lalàna mba tsy hanekena ho  lalàm-panjakana io fomba, voizin’ny teolojia liberaly sy  ny iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona io.

Tsy maintsy mijoro sy miteny ny fiangonana

Nanampiany  izany ny voalazan’ny  Soratra Masina.  “… Aza mety hofitahina  ianareo fa ny sodomita (lehilahy manambady lehilahy ary vehivavy manambady vehivavy),  tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”, hoy  izy.  Manoloana izany, niantso ny fanjakana noho ny fitiavana ny tanindrazana iombonana mba tsy hanome vahana ny fanambadian’ny mitovy fananahana ny FJKM.

Niantso ny vahoaka koa  ny fiangonana.  “ Aoka tsy handraraka ilo mby an-doha nomen’Andriamanitra antsika olombelona noforoniny. Antsom-pitiavana ho  an’ireo misedra olana mirona amin’ny fanambadian’ny mitovy fananahana  ity mba  hananany fanantenana fa misy lalan’ny fahafahana  marina ao amin’i  Kristy”, hoy ny  filohan’ny FJKM.

Namory ireo zanaky ny FJKM…

Notsiahivin’ny fanambarana teo am-panombohana  fa mpitily sy mpaminany ny fiangonana ka  tsy maintsy mijoro, manaitra ny amin’ny loza mitatao eo amin’ny fiainan’ny firenena. Tsy maintsy miteny amin’ny anaran’Andriamanitra koa.
Nitohy teny Andrainarivo  izany, namoriana ireo zanaky ny FJKM manana andraikitra eto amin’ny firenena.  Nampitana izany hafatra izany.  Eo  koa anefa  ny ady atao amin’n y kolikoly mahazo faka eto amintsika…

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.