Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Baolina Kitra-Malouda Florent: 12 volana ny fanamboarana ilay Akademia

Baolina Kitra-Malouda Florent: 12 volana ny fanamboarana ilay Akademia

Hampiakatra avo  ny lentan’ny baolina kitra malagasy, i Malouda Florent, mpilalao baolina kitra frantsay teo aloha. Tonga eto Madagasikara, ny alarobia lasa teo izy ary hanangana Akademian’ny baolina kitra, iarahana amin’ny Vondrona Filatex, kasaina hapetraka eny Soavimansoandro. I Florent Malouda mihitsy no ho tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ity tetikasa, izay vatsin’ny orinasa goavana eto Madagasikara. Isan’ny lehibe eto amin’ny Oseana Indiana ny Akademia izay hatsangana ary hanampy ny ankizy sy ny tanora malagasy tia baolina kitra mba hanana teknika ambony. “Mpilalao matihanina no havoaka amin’ity Akademia ity. Ho tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanafarana teknisiana manana traikefa avy any ivelany hampiofana ny tanora malagasy”, raha ny nambaran’i Florent Malouda, mpilalao fahiny tao amin’ny Chelsea.

Haharitra 12 volana eo ny fanatanterahana ny tetikasa, kasaina hatomboka amin’ny volana jolay 2020 ary hotokanana ny volana jolay 2021, raha ny fanazavana hatrany. Eto Antananarivo no hanombohana ny tetikasa ary manerana ny faritra izany avy eo, hoy i Florent Malouda. Ity farany izay hiditra an-tsehatra tanteraka amin’ny fanaraha-maso sy fizarana traikefa ao amin’io Akademia io, hahaleo tena tanteraka, izany hoe mandoa saram-pianarana ny ankizy miofana. Ankoatra izany, hisy ihany koa ny fampianarana teny vahiny ao amin’ny Akademia.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.