Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Orange Pro league”: hifarana amin’ny alahady ny lalao ho an’ity taona ity

Kitra – “Orange Pro league”: hifarana amin’ny alahady ny lalao ho an’ity taona ity

Hiditra amin’ny andro fahasivy ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Io ihany koa no hamarana ny lalao ho an’ity taona 2019 ity.

Hotanterahina, ny asabotsy 21 sy ny alahady 22 desambra ho avy izao, ny andro fahasivy amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra na ny “Orange Pro League”. Fihaonana mamarana ny fifanintsanana, ho an’ity taona 2019 ity, araka ny efa voalahatry ny Clubs de football elite à Madagascar (CFEM), mpikarakara.

Hanamarika ity andro fahasivy ity ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia sy ny Cnaps Sport. Lalao hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny asabotsy 21 desambra 2019. Adin’ny laharana faharoa sy fahatelo ireo. Hiendrika famaranana kely, araka izany, ny fifandonan’ny roa tonta, amin’ity. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany.

Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, nivoaka ho mpandresy ny Cnaps Sport. Hanala vela izany amin’ity ny boaikelin’i Bongolava. Samy manana ny fahaiza-manaony avy izy ireo. Raha ny kitikitika mahavalalanina ny an’ny Ajesaia, tolotra haingam-pandeha kosa ny an’ny Cnaps Sport.

Ankoatra izay, mbola fihaonana tsy manam-paharoa ihany koa ny an’ny Fosa Jr Boeny sy ny Elgeco Plus. Hampiantrano ny lalao ry zareo Fosa, amin’ity. Manantombo izy ireo satria hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy.

Handray ny FCA Ilakaka, any amin’ny kianjan’Ampasambazaha, kosa ny Zanakala FC. Ry zareo Zanakala izay tsy mbola tena misongadina satria vao fandresena iray ny azony, hatreto.

 

Tompondaka

 

Ireo fandaharan-dalao rehetra

 

Asabotsy 21 desambra

Kianjabe Mahamasina

02:30 – Ajesaia # Cnaps Sport

Alahady 22 desambra

Kianja Barikadimy Toamasina

02:30 – Tia Kitra # AS Adema

Kianja Andaboly Toliara

02:30 – 3FB Toliara # Club M

Kianjabe Mahamasina

02:30 – AS Jet Mada # Cosfa

Kianja Rabemananjara

02:30 – Fosa Jr # Elgeco Plus

Kianja Ampasambazaha

02 :30 – Zanakala FC # FCA Ilakaka

 

Les commentaires sont fermées.