Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hasin’ny Famonjena: hankalaza ny faha-50 taona

Hasin’ny Famonjena: hankalaza ny faha-50 taona

Ny taona 1970, nitsangana eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena. Araka izany, feno 50 taona amin’io taona mitsidika io ity antoko mpihira ity. Nosokafana tamin’ny fombam-piangonana, ny alahady lasa teo, ny taom-pankalazana. Homarihina amin’ny antsam-panahy lehibe kosa izany ny zoma 30 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena ihany.
Hizara roa ny fotoana ka ny tapany voalohany, haompana amin’ny fanaovana ny sanganasan’ireo mpamoron-kira ao Amparibe ihany, amin’ny teny malagasy avokoa. Ny tapany faharoa kosa, hitondran’ny Hasin’ny Famonjena ireo hira amin’ny teny anglisy, natokana hiainana ny Noely, ary nampitondraina ny lohateny “Let there be Christmas”. Mpikambana vehivavy 35 sy lehilahy 20 eo ho eo no hamelona ny antsam-panahy fanokafana. Maherin’izany kosa anefa ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Araka ny fampitam-baovao, fanombohana ihany io fa mbola ho maro ny fandaharam-potoana hanamarihan’ny Hasin’ny Famonjena izany jobily volamena izany, amin’io taona ho avy io.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.