Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – Tompondakan’i Afrika «Elite 16»: resin’ny GNBC ny UNZA Zambia

Basikety – Tompondakan’i Afrika «Elite 16»: resin’ny GNBC ny UNZA Zambia

Tsara fanombohana ny GNBC, teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Africa league Elite 16”, taranja basikety. Fihaonana tanterahina ao amin’ny kianja Kigali Arena, ao Roandà, ho an’ny vondrona H, natokana ho an’ireo ekipa aty amin’ny diviziona atsinanana. Omaly teo amin’ny andro voalohany, resin’ny zandary, tamin’ny isa 78 no ho 75, ny UNZA Pacers, avy any Zambia. Nivoaka sempotra anefa vao nahazo ity fandresena ity ny Zandary. Nitarika anisa hatrany ny ekipa malagasy, tao anatin’ireo 10 mn efatra nilalaovana. Na izany aza, niady sy nifanakaiky ny isa. Somary nihataka tsikelikely ny GNBC, notarihin-dry Elly sy ry Rick-Ley, taorian’ny fialan-tsasatra.

Tany amin’ny fizaram-potoana fahefatra no niezaka nanao valinady ny Zambianina ka nampiasa ny halavan’ireo mpilalaony. Hita ho sahirankirana ireo mpilalaon’ny Zandary. Nanjary nanariary baolina betsaka izy ireo. Vokany, nifanakaiky ny isa, lasa 66 no ho 60, teo amin’ny 1 mn tsy hiravana. Niakatra ho 72 no ho 69, teo amin’ny 57 s tsy hifaranan’ny fotoana. Saika nosahalain’ny Zambianina ny isa, teo amin’ny 14 s tsy hiravana, saingy tsy tafiditr’izy ireo ny “lancer franc”. Nahazo fahadisoana indray ny Malagasy avy eo, izay tafiditra avokoa ka nibatany ny fandresena.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.