Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voay miisa telo no hitan’ny olona nihaodihaody teo amin’ny ranomasina avy eo Ampasira hatrany La montagne-Antsiranana, ny asabotsy teo. Araka ny fantatra, efa nisy ny olona voakaikitr’ireo voay ireo, saingy tsy ahina kosa ny ainy. Nandray fepetra avy hatrany ny miaramila avy ao amin’ny 2ème RFI ao an-toerana ka nokarohina ireo biby manaikitra ireo. Nambaran’ny loharanom-baovao fa mandeha manamorona ny ranomasina hatrany Ramena ny dian’ireo mpitandro filaminanan ireo.

Fiara lehibe iray no hita latsaka tao ambany tetezana teny Mamokomita lalam-pirenena fahefatra, ny asaboty teo. Araka ny fantatra, olona iray no namoy ny ainy nandritra ny loza raha naratra mafy tamin’izany ny iray hafa. manentana hatrany ny mpamily amin’ny fandehanana mafy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Mila jerena ihany koa ny vesatry ny entana hoentina sy ny lafiny ara-teknika ny fiara alohan’ny andehanany.

 

Les commentaires sont fermées.