Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila tanjaka

Mitaky zavatra maro ny fanaovana fanatanjahantena. Tsy vitan’ny teknika sy taktika fotsiny fa mila tanjaka ara-batana sy ara-tsaina ihany koa. Nampivarahontsana ny besinimaro ny naheno fa montsana tanteraka ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny U20, teo amin’ny lalao fiadian-toerana. Betsaka ny fanontaniana nipetraka na teo amin’ireo teknisianina na ho an’ny mpanara-baovao, indrindra fa ny an’ireo olon-tsotra. Rehefa nodinihina, olana goavana teo amin’ireo mpilalao ny tsy fisian’ny môraly, entina niatrika ilay lalao. Mbola nitambesatra tamin-dry zalahy ilay faharesena tsy nahy, teo amin’ny manasa-dalana.

Tompon’andraikitra amin’ireny zava-misy ireny avokoa ny rehetra. Mila tanjaka, eo amin’ny toe-tsaina, ary mila hery eo amin’ny fiatrehana ny lalao ny ekipa vao mahazo fahombiazana. Tsy ampy ilay olona manam-pahaizana manokana manamboatra ny toe-tsain’ny mpilalao ny Barea, ka ireny ny vokany. Mila tanjaka, amin’ny lafiny rehetra ny mpilalao tsirairay avy, fa tsy vitan’ny fahaiza-manao fotsiny io. Anatra ny amin’ny manaraka ny toa ireny ka  samy mandray izay tandrify azy avy.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.