Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Vory lanona tetsy amin’ny Magro Behoririka ireo  avy amin’ny Tim sy ny mpanohitra, ny asabotsy teo. Nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasana fa tolona iombonana ho an’ny fahamarinana izao hetsika atao izao. “Tsy hilefitra izahay  raha tsy misy vokany ny fitakianay. Takin’ny ankamaroan’ny vahoaka ny fampitahana ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna  farany teo », hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa  mitohy ny tolona ary mila manaraka ny fandaminana ny rehetra mba hahitana fahombiazana hampanjakana ny ara-dalàna. “Ento amin’ny fahamarinana ny Firenena. Miantso  ireo filoham-piangonana koa fa mitady hitondra mankany amin’ny fahaverezana ny mpitondra”, hoy ihany izy ireo.

Nitari-bavaka hitakiana ireo Nosy manodidina ny pasitera  Mailhol,  teny amin’ny  kianjan’Ambohijatovo, ny asabotsy teo. Maro anisa tamin’izany ireo mpino  avy amin’ny fiangonana tarihiny. Nambarany fa ilaina ny fahefana avy amin’Andriamanitra, ankoatra ny hetsika  politika  sy  diplaomatika ary toekarana amin’ny fitakiana ireo sombin-tany  ireo.  “Hanampiana ny mpitondra sy ireo efa nanao dingana samihafa izao hetsika sy fotoam-pivavahana  izao. Ilaina koa anefa ny fiarahana amin’ny  firenena hafa aty Afrika, Azia sy Eoropa ary ireo firenena Tatsinanana”, hoy izy. Tazana teny an-toerana avokoa ireo mpanao politika sasany avy amin’ny fanoherana…

 

Les commentaires sont fermées.