Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valin’ny fitsarana ny “Raharaha tao Arivonimamo”: hitady ny marina ireo fianakavian’i Nantenaina

« Tsy hipetra-potsiny amin’izao izahay fa hitady ny marina hatrany », hoy ny solontenan’ny fianakavian-dRakotorahalahy Jacob Nantenaina telo mianaka, taorian’ny didim-pitsarana ny famonoana ny tamin’ny fomba feno habibiana an’izy telo mianaka tao Imerintsiatosika, ny 26 aogositra 2018. Nambarany tamin’izany fa tsy nahafa-po azy ireo ny didy navoaka ny tribonaly ny 21 novambra lasa teo, nahazoan’ny lehilahy iray sazy an-terivozona mandra-pahafaty, sazy mihatra avy hatrany miampy ny onitra mitentina 10 tapitrisa Ariary. Raha tsiahivina, miisa fito ireo voarohirohy tamin’ny famonoana azy telo mianaka ary dimy tamin’izy ireo no niakatra ny fitsarana tao Arivonimamo. Misazy mandra-pahafaty amin’izany ny lehilahy iray raha nahazo fahafahana avokoa ny ambiny.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.