Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Taratry ny kanto

Jeneraly ao amin’ny Trass
Efa manomboka mipetraka ny lazan’ny fety asabotsy antoandro, etsy amin’ny Trass Tsiadana. Taorian’ny tarika Iraimbilanja tamin’ny herinandro, anjaran’ny tarika Jeneraly indray ny hanafana izany, anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Marina fa tsy misy hira vaovao, saingy mbola be mpankafy hatrany ireo sanganasan’ i Gaby nolovain’ny tarika Jeneraly amin’izao fotoana izao.

Inah sy i Mahery eny amin’ny Smart
Ho fanamarihana sahady ny fetin’ny Noely, hisy ny lanonana antoandro eny amin’ny Smart Tanjombato, anio. Hanomboka amin’ny roa ora, efa hisy ny atrikasa ho an’ny dihy, ho an’ireo ankizy sy ny tanora. Eo ihany koa ny “face painting”, hanamarihana izay maha fety ny andro izay. Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny fampisehoana iarahana amin’i Mahery sy i Inah, hamerina ireo hira misy fampiaraham-peo maromaro.

Les commentaires sont fermées.