Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sendikan’ny polisim-pirenena: hatsangana ny Centre de dialogue social

Ho fanatsarana sy hanovana ary hanavaozana ifotony ny tontolon’ny asa ny Polisim-pirenena. Hampantanjaka ihany koa ity farany, hatsanagana, araka izany, ny sehatra ifaneraseran’ny sendikan’ny polisim-pirenena na Confédération syndicale de la Police nationale (CSPN) sy ny minisitera hifanakalozan’ny roa tonta hevitra. « Hamerina ny hasin’ny Polisim-pirenena ny tanjon’ny sendikà ary hampisy fanakaikezana sy fitokisan’ny vahoaka aminy hahatonga azy ireo hiara-hiisalahy tsy am-pisalasalana », hoy ny kaomisera Tsaramonina Ravony, filohan’ny CSPN, omaly teny Tsaralalàna. Hitandro sy ho fatra-panaja ny lalàna sy ny fitsipi-pipehezana mifehy azy ny kaonfederasiona, indrindra amin’ny maha polisy azy, araka ny fanambarana. “Ho sarotiny sy ho saropiaro amin’ny fitandroana ny asany sy ny fandriampahalemana”, hoy hatrany ny filohan’ny CSPN. Fantatra fa hanao fivoriambe tsy ho ela ny CSPN manerana ny Nosy, hampantanjaka ny Polisim-pirenena.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.