Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: hanala vela amin’ny Cosfa ny JSTA Ambondrona

Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana faharoa ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby na ny «Gold Top 20». Fihaonana hotontosaina, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 15 desambra ho avy izao. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny JSTA Ambondrona.

Ekipa efa diso mifankahalala tsara izy ireo ary tsy vao izao akory no hifanehatra fa efa imbetsaka. Hatreto, tsy mbola naharesy an-dry Bebaoty ny Ambondrona. Hanala vela izany ry zalahy, amin’ity. Samy manana ny fomba filalaony ny roa tonta. Mampiasa ny “avant” ny Cosfa raha milalao ao anaty “trois quart aile” kosa ny JSTA, izay manana mpilalao tanora sy kinga ary mailaka. Mety ho tombony ho an’ny Cosfa kosa ny traikefan’ireo mpilalao, toa an-dry Hery sy i Maxime ary i Nofy. Samy manana ny hanitra ho azy izy ireo ka ho resy izay manao antandrevaka.

Tompondaka

Ireo fandaharan-dalao :

 

Alahady 15 desambra

Kianja Makis Andohatapenaka

Vehivavy

07:30 –FTFA Antohomadinika # RCTS Soavimasoandro

Ampahavalon-dalana

09:00 – FTM Manjakaray # XV Avenir Andohatapenaka

11:00 – 3FB # USA Ankadifotsy

01:00 – Cosfa # JSTA Ambondrona

03:00 – STM Savony # TFMA Ankasina

 

 

 

Les commentaires sont fermées.