Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Orinasa Tropical Wood-Maibahoaka Ivato: antapitrisa maro ny tentim-bidin’ny entana may

Orinasa Tropical Wood-Maibahoaka Ivato: antapitrisa maro ny tentim-bidin’ny entana may

Lavenona sisa tavela, may tsy nisy noraisina intsony ny orinasa mpanao fanaka Tropical Wood eny Maibahoaka. Antapitrisany maro ny lasan’ny afo.

May, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, ny orinasa iray antsoina hoe Tropical Wood ao amin’ny établissement Enac etsy Maibahoaka Ivato. Nanaitra ny maro eny an-toerana ny firehetan’io orinasa mivarotra fanaka io noho ny afo nijoalajoala tanteraka. Araka ny fantatra, niainga tao amina efitra fitahirizan-kazo sy ireo masinina fiasana ny afo ka niitatra amin’ireo efitra hafa an’ny orinasa. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna fa goavambe ny fahamaivana. Nanampy isa azy ireo tamin’ny famonoana ny afo kosa ny sampana mpamonjy voina avy eny Anosivavaka sy avy eo amin’ny Asecna ary ny Corps de protection civile (CPC). Hatramin’ny ora farany nanoratanay, tsy fantatra ny anton’ny fahamaizana. Nambarany tamin’izany fa levon’ny afo tanteraka ny entana rehetra tao amin’ilay orinasa ary antapitrisa maro ny fahamaizana nandritra ny loza. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa vatan-dehilahy avy amin’ny sampana mpamono afo ao Tsaralalàna miisa 40 no niara-niisalahy tamin’ireo lehilahy avy ao amin’ny CPC tamin’ny famonoana ny afo, nampian’ireo fitaovana maro samihafa nentina namonoana izany. Voalaza fa efa ny antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora, nanao fanadiovana ary namono ireo otrikafo ireo mpamonjy voina samihafa ka voafehy izany ary tsy niitatra tamin’ny manodidna.

Trano iray hafa may teny Ampandrana

Ny alin’ny alakimisy teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy 20 minitra teo, may vokatry ny labozia izay nirehitra ny trano iray hafa eny Ampandrana Atsinananana. Vokany, may ny efitra iray amin’ireo efatra ao amin’ny rihana voalohany amin’ny trano. May, nandritra izany, ihany koa ireo kojakoja maro samihafa tao amin’ilay efitra niampy ny lakozia. Soa fa tsy niitatra tao amin’ireo efitra hafa. “Nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny fahateren’ny lalàna, eo ihany koa ny elakela-trano eny an-toerana”, hoy ny mpamonjy voina. Nanampy izany ny fakana ny rano teny amin’ny “bouche d’incendie” eny Besarety. Manoloana izany anefa, voafehy ara-potoana ny afo ary tsy niitatra tamin’ny manodidina.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.