Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpiasan’ny kaominina Toamasina ny iray: roa lahy tratra nangalatra taribin-jiro 200 metatra

Mpiasan’ny kaominina Toamasina ny iray: roa lahy tratra nangalatra taribin-jiro 200 metatra

Noraisim-potsiny! Mpiasa mbola am-perinasa ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ny iray amin’ireo jiolahy tratra nangalatra taribin-jiro mirefy 200 metatra. Teo am-pitaterana taribin-jiro niaraka amin’ny fitaovana fanapahana vy ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny polisy. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny polisin’ny Fip ao Toamasina, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nampiasa olon-tsotra ny polisy hanao fitsongoan-dia hahitana marina ny momba ity resaka halatra taribin-jiro ao Toamasina ity. Marobe rahateo ireo fitarainana voarain’ny polisy momba ity halatra taribin-jiro ity. Nahitam-bokany izany, ny alin’ny alakamisy tamin’ny misasakalina, satria nahazo antso ny polisy fa hoe misy olona mandatsaka tariby ao ambany tetezana fotsy Antanandava. Tsy niandry ela ry kaomisera Rafaliarivo Jules sy ny ekipany fa nanenjika avy hatrany. Nandositra ireo jiolahy raha vao nahita ireo polisy ka raikitra teo ny fifanenjehana hatrany anaty ala manodidina ny tetikasa Ambatovy. Tamin’ny 1 ora sy 15 mn maraina vao tratra ny roa lahy raha tafaporitsaka ireo roa lahy naman’izy ireo. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa an’ny tetikasa Ambatovy ireto taribin-jiro nangalarin’ireto jiolahy ireto.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.