Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kempo/MMA: ambasadaoron’ny Viseo i Tsinjo

Nambara ofisialy, omaly teny amin’ny Oceane Trade Andraharo, ny maha ambasadaoron’ny Viseo an-dRakotomaria Tsinjo, mpikatroka malagasy nahazo medaly alimo tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja MMA (Martial Mixed Arts). Fifaninanana notanterahina tany Singapour ny volana novambra lasa teo. Nambaran-dRatovonirina Yves, tomponandraikitra ny varotra, eo anivon’ny Viseo, ny fahitany ny fahasahiranan’ny mpitantana ny kempo sy ny MMA ary ny fahatsoran’i Tsinjo ka nandrisika ny Viseo nanampy sy mbola hanome hatrany tolotanana. Niantoka ny fandehanan’i Tsinjo tany Singapour ity vondrona ity ary izao mbola hanohana azy mandritra ny telo taona izao indray. Hiseho amin’ny endrika maro ny fanohanana, toy ny fiantohana ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, ny fiofanana any ivelany, ny fanampiana fitaovana ary indrindra, ny fanomanana an’i Tsinjo hahazo ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nanamafy ny filohan’ny kempo sy MMA, Rakotonindriana Parfait, fa tena ahitam-bokany sy mampiakatra ny herijikan’ny atleta ny fanohanana toy izao.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.