Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaontim-bola sy  ny fifidianana: kivy tamin’ireo kandidà ny vaomiera mpanara-maso

Tsy voahaja ny lalàna sy ny fepetra. « 803 ireo kandidà depiote nefa 1% amin’izy ireo ihany no nanatitra ny kaontim-bola tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo…», hoy ny filohan’ny vaomiera misahana ny famatsiam-bola ho an’ny politika, i Milijaona  Rado. Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana tampony (CSM) Anosy, omaly, ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty ary anisan’ny nanao izany ity vaomiera ity. Nanteriny fa mbola hanao tatitra amin’ny antsipiriany momba ny resa-bola tamin’ny fifidianana rehetra teo aloha ny vaomiera tarihiny, ny herinandro ho avy io. « Tsy voahaja ny fepetra amin’ny fametrahana ny mangarahara tamin’ny kaontim-bola momba ny fifidianana… », hoy ihany izy. Na izany aza,  nisedra olana izy ireo ka tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy.

Misedra olana amin’ny vola

Anisan’izany ny tsy fahampian’ny hoenti-manana satria efa aty aorian’ny fifidianana vao tonga ny tohana ara-bola. « Tsy mifanaraka amin’ny asa ny vola nomena… Lany sy nampiasaina tao anatin’ny 10 andro izany. Tsy arakaraka ny asa ny hoenti-manana. Tsy nisy tetibola manokana fa avy amin’ny Fitsarana momba ny kaonty ihany no nampiasaina », hoy ihany izy. Anisan’ny nanahirana ity vaomiera ity koa ny tsy fahitana intsony ireo kandidà na ny mpitambolany, taorian’ny fifidianana. “Efa tsy ao amin’ilay foiben-toerana intsony izy ireo vao vita ny fifidianana…”, hoy izy.

Synèse R.       

Les commentaires sont fermées.