Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hira ara-pilazantsara: hiray sehatra ry Jaw’s Band, i Iandry Mario, i Rojo Ny Avo

Hira ara-pilazantsara: hiray sehatra ry Jaw’s Band, i Iandry Mario, i Rojo Ny Avo

“Fiderana miavaka”, io ny lohatenin’ny fampisehoana hira ara-pilazantsara iarahan’ny tarika telo, samy sangany sy fanta-daza eo amin’ny hira fiderana an’Andriamanitra.

Seho nandrasan’ny maro hatramin’izay ny fiarahan’dry Jaw’s Band, i Rojo Ny Avo ary i Iandry Mario. Tsy izay ihany fa hanana vahiny manokana ny fampisehoana, i Titianah, sy mpanakanto ara-pilazantsara maro. Ny alahady  22 desambra ho avy izao no hanatanterahana ny hetsika, ao amin’ny CC Esca Antanimena.  Samy manana ny mampiavaka azy ny tarika eo amin’izay hira fiderana izay, saingy iraisan’izy ireo ny fahaizana manakaiky sy mandresy lahatra kokoa ny tanora amin’ny gadona malaza ankehitriny. Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny taona 2016 no nanomboka niditra eo amin’ny sehatry ny fihirana i Iandry Mario. Maro ireo fitoriana an-kira efa nataony teny anivon’ny fiangonana, saingy io ao amin’ny CC Esca io no azo lazaina fa goavana indrindra.

Nambaran’ iIandry Mario fa matotra ny fanomanana, notanterahina tao anatin’ny telo volana mahery, satria ezahin’izy ireo hatao lafatra ny hatolotra amin’io, ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Marihina fa mifanindran-dalana amin’io koa ny fivoahan’ny rakitsary DVD voalohany an’ny ny tarika Iandry Mario, mitondra ny lohateny hoe: “Ho Mpandresy”, ahitana hira 10. “Hetsika ara-pilazantsara lehibe hamaranana ny taona eto Antananarivo io”, hoy izy. Hisy hira iray iraisana eo amin’i Rojo Ny Avo sy i Iandry Mario ary ny tarika Jaw’s Band.

Randria

Les commentaires sont fermées.