Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – «Mada sénior»: tafita ny THBC sy ny HBCI

Tontosa, omaly tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja handball, sokajy “senior” lahy sy vavy. Tafita hiatrika ny famaranana, ho an’ny vehivavy, ny THBC Analamanga sy ny HBCI Ihosy.

Raha hiverenana ny manasa-dalana, voahaja ny lojika teo amin’ny lalaon’ny THBC sy ny ACF Farafangana. Resin’ny ekipan’Analamanga, tamin’ny isa mazava 36 no ho 20, ry zareo Atsimo Atsinanana. Nitranga kosa ny tsy nampoizina teo amin’ny manasa-dalana faharoa satria resin’ny HBCI, tamin’ny isa 28 no ho 24, ny HBCA Analamanga. Ho an’ny lehilahy, adin’ny samy Analamanga ny famaranana, hikatrohan’ny Cosfa sy ny St Michel. Ny Cosfa, nandresy ny ASS, tamin’ny isa 40 no ho 33, ary ny St Michel, nandavo ny Cosfa 2, tamin’ny isa 35 no ho 25.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.