Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotodrafitrasa ho an’ny « Velirano 11 »: hatao antsapaka ny fahazoana «Building» eny Ivato

Fotodrafitrasa ho an’ny « Velirano 11 »: hatao antsapaka ny fahazoana «Building» eny Ivato

 

Raikitra! Napetraka, omaly, ny vatofehizoro hanorenana ny fotodrafitrasa « Trano fonenana – Building – Velirano faha-11 », eny Ivato. Natao ho an’ireo kilasy antonony eo amin’ny fidiram-bola izany, mihoatra ny 35 taona. Ahitana « 38 immeubles R+4 » rihana efatra avy ary misy « 608 appartements » izany. Hiorina amin’ny velaran-tany mirefy 14 ha  ny fotodrafitrasa. Hovatsina angovo nohavaozina mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo trano ireo. Hatao antsapaka ny fahazoana ny Trano mora mba hangarahara ary natao ho an’ny mpiasam-panjakana na  koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Anisan’ny mason-tsivana amin’izany koa ny maha mpikambana eo anivon’ny Cnaps… Haloa tsikelikely ao anatin’ny 15 taona ny vola ary lasan’ny tompony tanteraka avy eo. Hiorina eny an-toerana ny “parking”, tranombarotra lehibe, ny toerana fialamboly sy ny sehatra maitso. Ho vita ato anatin’ny herintaona sy tapany avokoa ny asa fanorenana rehetra izany fotodrafitrasa izany. “Hahazo tahaka izao avokoa ny faritra rehetra. Efa manomboka koa ny fanorenana Trano mora any Toamasina… Sambany hatramin’ny Repoblika I ny tetikasa goavana tahaka  izao”, hoy ny filoha Rajoelina  teny an-toerana nitarika ny lanonana.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.