Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa ara-tafika: hanome fiofanana ny Tafika malagasy ny Tafika indiniana

Nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny delegasionan’ny “forces spéciales” na ny hery manokan’ny Tafika an-dranomasina indianina tamin’ity herinandro ity ny fanampiana ny Tafika an-dranomasina malagasy amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo. Tonga nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, omaly, rehefa avy nitsidika ny Rezimanta faharoa ny Hery vonjy taitra ao Antsiranana, ny 11 sy 12 desambra 2019, ireto delegasiona notarihin’ny “Directeur des opérations spéciales et de la plongée” eo anivon’ny Tafika an-dranomasina indianina, ny capitaine de Vaisseau, i Manish Rao, ireto. Nandray ny delegasiona kosa ny tale jeneralin’ny teti-pivoarana stratejika eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovana, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, nanamafy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy i Inde amin’ny fanamafisana ny traikefan’ireo Tafika an-dranomasina malagasy eto amintsika.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.