Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiofanana mpiasa – FMFP*: sehatra maro samy hanokanana 164 tapitrisa Ar

Manomboka anio 14 desambra hatramin’ny 24 janoary 2020 ny fangatahana famatsiam-bola ho an’ny tetikasa fampiofanana mpiasa. Nampahalala ny andiany faharoa ho an’ny fampiofanana mpiasa izany, omaly, ny Tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP). « Tsy maintsy izay fampiofanana ny mpiasa izay, indrindra amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Kendrena amin’izao andiany faharoa izao ireo avy amin’ny orinasa madinika sy salantsalany, iaraha-miasa amin’ny AFD », hoy ny talen’ny FMFP, Ramamonjiarisoa Jean Luc.

Tsy maintsy mandoa latsakemboka 1% ny orinasa rehetra, araka ny lalàna, any amin’ny FMFP, hanarahana ny fanofanana, ary ampiana mihitsy ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME). 2,050 miliara ariary ny avy amin’ny AFD (Agence française de développement), 492 tapitrisa ariary amin’izany ny ho an’ireo sehatra ivelan’ny ara-dalàna (ireo tsy mandoa latsakemboka) hanofanana ireo mpiasa ho matihanina sy hanarahan-dalàna. Vitsivitsy ny sehatra nomena fiofanana tany am-boalohany fa betsaka amin’izao manaraka izao: fambolena sy fiompiana; fifandraisana (Tic); varotra; fizahantany, hotely sy fisakafoana; fitaterana; fitantanambola; fampianarana, fanatajahantena sy fahasalamana; miasa tena.

164 tapitrisa ariary ny tetibola atokana ho an’ny sehatra isanisany, afa-tsy ho an’ireo miasa tena 492 tapitrisa Ar. Nasian-teny ny amin’ny tokony hifehezana ny teknolojia « digitalisation » ankehitriny. Maro ny orinasa efa mandoa latsakemboka, mitsinjo ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Iharan’ny sazy kosa izay tsy manefa izany. Miara-miasa akaiky ny FMFP sy ny Fivmpama (Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy).

 

R.Mathieu

 

FMFP*: Fonds malgache de formation professionnelle

 

 

Les commentaires sont fermées.