Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana ambony: raikitra ny oniversite maty

Fampianarana ambony: raikitra ny oniversite maty

Hanatanteraka ny “Oniversite maty” ao anatin’ny herinandro ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Seces Antananarivo. Mikatso tanteraka ny fampianarana.

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny mpampianatra mpikaroka mpikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo.

Omaly, nilaza ny Seces fa hanatanteraka hetsika “Oniversite maty”, manomboka ny alatsinainy 16 desambra hatramin’ny alatsinainy 23 desambra.

Ao anatin’io herinandro io, tsy hisy ny fampianarana, mikatona ny oniversite sy ny foibem-pikarohana nasionaly eto Antananarivo.

Nilaza ny Seces fa tsy ekeny ny fanesorana ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo raha misy ny fikononkononana momba izany. Olom-boafidin’ny maro anisa io filohan’ny oniversite io ka tsy tokony hoesorina amin’ny tsy antony.

Tsy miankina aminy ary tsy mahakasika velively ny fitantanana ny oniversiten’Antananarivo ny fitakian’ny Seces. Tsy tokony hailika any amin’ny mpitantana ny oniversite ny tsy fahombiazan’ny mpitondra hafa.

Etsy andaniny, mahatsapa ny Seces fa ankilabao mahakasika ny fitakiany izay itadiavan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony hirika ny tsy hamaliana izany sy ny handrirarirana hatrany ireo karazana fitakiana maromaro.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.