Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalana RN2: mihena ny fitaterana mandritra ny fanamboarana

Lalana RN2: mihena ny fitaterana mandritra ny fanamboarana

Manahirana ny rehetra izao ny mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2) Antananarivo-Toamasina. Mitohana ny fifamoivoizana amin’ny ampahan-dalana maro noho ny asa fikojakojana ny lalana, Antananarivo–Moramanga, sahanin’ny Colas, ary Moramanga –Toamasina, ataon’ny orinasa hafa. Tsy maintsy atao ny asa fikojakojana amin’io lalam-pirenena be mpampiasa indrindra io, saingy mandritra izany, mihena ny asa fitaterana vitan’ireo mpitatitra rehetra. Anisan’ny iharan’izany ireo mpitatitra solika.

Misy anefa ny fifanarahana amin’ny fanajana fotoana fitaterana entana, miakatra aty Antananarivo, na midina any Toamasina mamonjy ireo sambo mpitatitra. Ny entana avy any Toamasina mbola misy halefa any amin’ny faritra hafa ; ny sambo ao Toamasina tsy afaka miandry izay fiara mpitatitra tsy tonga ara-potoana. Ny solika, ohatra, eto Antananarivo sy ny manodidina, tonga ara-potoana ihany fa ny any amin’ny distrika amin’ny faritra maro sahirana amin’izay famatsiana izay. Vahaolana ny fanarenana seranan-tsambo maro sy ny fanamboaran-dalana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.