Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cipres: mila ampitoviana ny fiasa

Cipres: mila ampitoviana ny fiasa

Nanomboka, omaly, ny Fivorian’ny firenena afrikanina mikasika ny fiahiana sosialy (Cipres). Mialoha ny filankevitry ny minisitra ataon’ireo firenena 17 mpikambana, ahitana ny mpitantana ny fiahiana sosialy, hatao rahampitso 12 desambra, mivory mialoha ny manam- pahaizana manokana amin’ny fiahiana sosialy. Nambaran’ny minisitry ny Asa (METFPLS), Rtoa Ranampy Gisèle, fa tombony ho an’i Madagasikara ny fampiantranoana ity fivoriana ity, hifanakalozana traikefa, hanatsarana ny fiahiana sosialy eto amintsika, toy ny lalàna izay efa elabe (1960).

Azo alain-tahaka ny any Cameroun, nilazan-dRtoa Mekulu Mvondo Akame avy amin’ny CNPS (Caisse nationale de prévoyance nationale) any aminy, fa misy karazany roa ny azy ireo. Ny fanampiana sosialy, toy ny eto amintsika, ho an’ny mpiasa sy ny fianakaviana, ary misy koa ny fanampiana ny isambatan’olona izay maniry hahazo rehefa mandoa latsakemboka, toy ny mpiasa mahaleontena, ohatra. Efa misy koa ny fiahiana ara-pahasalamana any Senegal, araka ny nambaran’i Cheik, tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena any aminy. Fahombiazana ho an’i Madagasikara kosa ny mari-pankasitrahana momba ny fahaiza-mitantana nomen’ny Aiss.

Nanatrika ity fivoriana ity ny filohan’ny vaomiera mpanara-maso Cipres, i Tidiane Tounkara sy Rtoa Bouba Cécile F.D., sekretera mpanatanteraky ny Cipres.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.